"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HITRAKA IANAO SATRIA HANANA FANANTENANA MAHAFINARITRA

Olom-boavonjy ianao! Hiseho eo @ fiainanao ny fahasoavan'i Kristy! « Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, » (Titosy 2:11)

Hampianatra anao hivelona @ onony « mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra @ izao fiainana ankehitriny izao, » (Titosy 2:12),

sy hanana fanantenana mahafinaritra Andriamanitra « MIANDRY NY FANANTENANA MAHAFINARITRA sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] » (Titosy 2:13)

MATOKIA ! 

 


VAVAKA : JESO KRISTY TOMPO O ! MAHERY ! MANANA FANANTENANA MAHAFINARITRA IZAHAY MIAINA EO AMBANIN’NY FAHASOAVANAO ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4286).

MITADY OLONA HIARA-HIASA AMINY HO MPANANGANA ANDRIAMANITRA

Teny fikasana nomen'Andriamanitra ny fananganana izay efa rava rehetra « Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray; » (Asan'ny Apostoly 15:16)

Ny herin'i Kristy ao anatinao no antsoiny ho fitaovany @ izany « Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa @ heriny. » (1 Korintiana 6:14)

MATOKIA! 

 


VAVAKA : JESOSY KRISTY TOMPO O ! MANAIKY IZAHAY HO FITAOVANAO HANANGANA IZAY EFA RAVA ! MANOMBOKA @ FIAINANAY MANOKANA H@ FIRENENAY ! TARIHO FANAHY MASINA O ! MBA HO FITAOVAN’ANDRIAMANITRA HAHOMBY IZAHAY AMEN !! ( Teny Zaraina 4281).

ILAY NANDRESY NY FAHAFATESANA NO ANKALAZAO :

Jesoa na Jesosy na Jeso...Kristy izay efa nandresy ny fahafatesana no ankalazao anio « Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (Jaona 11:25-26)

ilay anarana ambony izay misy fahefana mahery vaika « izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy t@ maty sy ny nampitœrany Azy eo @ tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa @ ho avy koa , dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao @ rehetra. » (Efesiana 1:20-23)

MIFALIA ! 

 


VAVAKA : JESO KRISTY TOMPO O ! IANAO IRERY NO ANKALAZAINAY ! VELONA MANDRAKIZAY IZAHAY MIARAKA AMINAO ! AMEN ! ( Teny Zaraina 4280).